Royaume-Uni : Mety higadra mandrapahafaty i Benjamin Mendy
Mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena nilalao tao amin’ny Manchester City i Benjamin Mendy. Nofaritan’ny mpampanoa lalàna, Timothy Kray ho « « violeur en série » » izy nandritra ny fitsarana azy tao Chester ny herinandro lasa teo.
Raha hiverenana ny tranga dia voaheloka nanolana vehivavy 7, nikasa nanolana vehivavy iray ary nanao herisetra ara-nofo tamina vehivavy iray i Benjamin Mendy teo anelanelan’ny volana oktobra 2018 sy ny volana aogositra 2021, tao amin’ny trano fonenany tao Prestbury. Nanomboka ny volana aogositra teo ny fitsarana azy tao Chester, tsy mbola niaiky heloka izy ary nilaza fa nanaiky azy avokoa ireo vehivavy lazaina fa naolany ireo.
Efa ho herintaona izao i Benjamin Mendy no nesorin’i Manchester City tao amin’ny kliobany. Efa efa-bolana mahery izy no notanana am-ponja vonjimaika, nanomboka ny volana aogositra 2021 ka hatramin’ny volana janoary teo. Mety higadra mandrapahafaty noho io fiampangana azy io kosa i Benjamin Mendy hoy ny mpampanoa lalàna, Timothy Kray.
