France : Bastille, toerana manan-tantara ao Grenoble
Manda miaramila ao Grenoble ny Bastille, izay mipetraka eny amin’ny havoana 264 metatra ao an-tanàn’i Grenoble. Namboarina nandritra ny ampahany voalohan’ny taonjato faha-19 izy io, miorina eny amin’ny havoana 476 metatra, eo amin’ny tampon-kavoan’ny tendrombohitra Chartreuse. Nanolo ny fiarovana voalohany naorina tamin’ny faran’ny taonjato faha-16 izy io.
Téléphérique na fiara na dia tongotra no fitaterana ahatongavana eny amin’ny Bastille. Toeram-pizahan-tany voalohany ao Grenoble izy, mahatratra mpitsidika 600 000 isan-taona izany. Nanosika ny tompon’andraikitra tao an-toerana nametraka « webcam » teo amin’ny tafon’ny toby fiantsonan’ny « téléphérique » izany ka ahafahan’ireo mpampiasa Internet mahazo sarin’ny tanàna 220° isaky ny 20 minitra.
