ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Misy ny hetsika Slam any amin’ny BTC ho fankalazana ny SSMAF

Ho fankalazana ny SSMAF dia misy ny hetsika Slam any amin’ny BTC Ambohimangakely ny 06, 20 aogositra ary ny 09 septambra ho avy izao. Maro tokoa moa ny hetsika izay efa nokarakarain’ny BTC.  Hisy ihany koa ny atrik’asa fiantseharana sy fanoratana ny asabotsy 26 aogositra, hanomboka amin’ny 09 ora sy sasany maraina, ary hisy ihany koa ny fifaninana SPIT amin’ny 02 ora folak’andro.

Ho an’ny fandaharana mahakasika ny 09 septambra moa dia hanomboka amin’ny 01 ora folak’andro ny renjy ary amin’ny 03 ora folak’andro kosa ny seho izay hiarahana amin’ny Vitsika, Orad ary Andriamisetra. Entano ny namana ary manasa an’izay liana rehetra amin’izany hetsika izany.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire