Vohemara : Olona efatra no vosabotra tamin’ilay raharaha herisetra sy fanosorana sakay
26 Aogositra, 16h30, Taorian’ny trangam-piaraha-monina niseho tao amin’ny fokotany Antsikory, kaominina Antsirabe Nord, distrikan’i Vohemara ny alahady lasa teo, olona efatra no voasambotra ka notazomina any amin’ny zandray tamin’ilay raharaha herisetra sy fanosorana sakay natao tamin’ny ramatoa iray tratra nangalatra mangahazo ka niharan’ny sazy sy ny dina mifehy momba ny hala-boto sy mifehy ny fiaraha-monina tao an-toerana.
