Alasora : Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana kitra
Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny « tournoi football » ho an’ny kaominina Alasora hoy ireo tompon’andraikitra amin’izany. Marihina moa fa efa misy foana ity lalao tournoi football ity isan-taona.
Ao amin’ny kianja 4FAA Ankazobe izany no tanterahina. Maro ny sokajy misy amin’izany. Anisan’izany ny sokajy U23, U17, U15, U13, U10. Isaky ny asabotsy sy ny alahady moa no hanatanterahana ny lalao. Manasa ireo izay maniry ny handray anjara amin’izany sy ireo vonona mba hanatona ny tompon’andraikitra. Izany hetsika izany moa dia hentina hanandratana hatrany ny taranja baolina kitra.
Famenontsoa Rajerison
