ActualitésTatitra

Maurice : Hisy eklispa eny amin’ny volana ny androany

Fenomanana ny volana ny 24 may lasa teo ka niloko « cuivre ». Hiavaka ny lanitry ny planeta anio ary hovariana ny olombelona rehetra. Ho takona tanteraka mantsy ny volana ny Alarobia 26 may manomboka amin’ny 12 ora 46 (any an-toerana) ary hifarana amin’ny 17 ora 51, hoy ireo mpandinika ny habakabaka. Ary ho maizina mihitsy aza raha ny ao Maurice manokana hoy ny filazan’ny mpamantatra toetr’andro any Maurice. Tsy tahaka ny fanakonana tanteraka ny masoandro efa nisy, ity indray mitoraka ity dia tsy hanimba ny maso akory hoy ireo manam-pahaizana. Nifanindry indrindra tamin’ny faha fenomanana ny volana ity eklipsa ity ary ho lehibe tokoa izany raha jerena ety an-tany satria manakaiky ny tany ny vola raha mielanelana 358 000 Km. Raha ny tantara, ny fiaraha-monina ao Australie no nanasokajy ny fanakonana masoandro na volana tahaka izao ho marika fa ilay olona lasa dia naratra na maty mihitsy. Ho an’izay tsy nahita ity eklipsa ity indray kosa, amin’ny 2033 indray vao hahita ny fahatakonan’ny volana kanefa sady fenomanana.0Personnes touchées0InteractionsBooster la publicationJ’aimeCommenterPartager

Laisser un commentaire