Nigeria : Miisa 20 ny matin’ny choléra
Efa mahatratra hatramin’ny 300 izao ny olona any amin’ny hôpitaly noho ity aretina choléra ity any Nigeria nandritra ny roa herinandro. Ary tao anatin’izay fotoana izay, tsy latsaky ny 20 ny maty tao avaratr’i Nigeria, hoy ny tompon’andraikitry ny fahasalamana any ifotony ny omaly. Mahakasika distrika 9 any an-toerana ity valan’aretina ity ao amin’ny fanjakana Bauchi, ary indrindra ao amin’ny renivohitr’izany fanjakana izany. Tsy mitsaha-mitombo ny tranga ary mangataka ny governemanta ny hampikambanana ireo ekipa mpamonjy ao amin’ny distrika 20 any Bauchi ka hampanao « quarantaine » (fitokana-monina) manokana ireo marary. Efa nisy ny ekipan’ny fahasalamana sy ny fanafody nalefa any an-toerana ary nohamafisina ny fanentanana ny olona amin’ny resaka fidiovana. Azo avy amin’ny « bactérie » amin’ny rano tsy voadio ity aretina ity, ary makany amin’ny tsinay ka miteraka havizanana, lasa mandoa sy mivalana ny olona. Mety mifindra amin’ny alalan’ny lalitra izany raha mikasika ny sakafo ka mety hitarika any amin’ny fahafatesana.
