France : Ciryl Gane, mamiratra eo amin’ny taranja MMA
Teraka ny 12 aprily 1990 tao La Roche-sur-Yon ao Vendée i Ciryl Gane omena ny anaram-bositra hoe « Bon Gamin ». Mpikarotra MMA matihanina izy ary mpanao « muay-thaï » (boxe thaïlandaise) ihany koa.
Teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2018 dia nahazo fandresena niisa 13 nifanesy tamin’ny « muay-thaï » i Ciryl Gane. Niditra teo amin’ny sehatry ny matihanin’ny MMA izy taorian’izany ary nanao sonia fifanarahana tamin’ny UFC teo amin’ny sokajy mavesa-danja.
Mamiratra tanteraka i Ciryl Gane eo amin’ny taranja MMA. Efa nahazo ny « ceinture intérimaire » ny sokajy mavesa-danjan’ny UFC izy ny 7 aogositra 2021 manoloana an’i Derrick Lewis izay resy tamin’ny TKO (knockout). Frantsay voalohany nahavita izany ny tenany.
Nandritra ny fifandonana ny 3 septambra teo tao Paris kosa dia mbola nahery manoloana an’i Tai Tuivasa i Ciryl Gane.
