ActualitésTsidika

Opération mpanendaka : Jiolahy telo voasambotry ny polisy

Mpanendaka telo lahy indray no voasambotry ny polisy teo amin’ny fiantsoan’ny taksibe teny Manjakaray. Nanatanteraka hetsika manokana hiadiana amin’ny asa fanendahana ny avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahavalo (CSP8) ny alarobia 4 Aogositra 2021 teo.

Jiolahy efa matetika mpanao asa ratsy eny an-toerana no tsikaritr’ ireo polisy ka nanaovan’izy ireo vela-pandrika ary izao tra-tehaka izao. « Raha izao foana no fiasan’ny polisy dia tena azo eritreretina ny hiainana’ny hanjakan’ny fandriam-pahalemana ety amin’ny tanàna » hoy i Fidèle, mpamily taksibe.

Nahitana fonosan-drongony tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ireo polisy. « Mbola misy jiolahy hafa mpiray tsikombakomba amin’ireto mbola karohina amin’izao fotoana izao » hoy hatrany ny polisy. Nentina nanaovana fanadihadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy ireto jiolahy ireto. Raha ny zava-misy hita sy re amin’izao fotoana izao, tena manjaka tokoa ny tsy fandriampahalemana na aiza na aiza toerana aleha. Ahenoina vaki-trano etsy, fanendahana eroa. Mbola azo eritreretina ve izany Madagasikara handry fahalemana izany amin’izao vanim-potoana iainantsika izao ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire