ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mila andraisana fepetra ireo elakelan-trano feno rano maloto

Mampitaraina ireo mponina mampiasa ny lalan-kely fivezivezena, fampiasan’ny mponina ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Miparitaka ny rano maloto ary mamoaka fofona ratsy tsy azo hiainana izany, araka ny voalaza.

« Maro be ny olona mivezivezy mampiasa ity lalana mivoaka amin’ny tsena alakamisy ity,  ohatra ny mpanao zavatra ao kaominina. Raha mba te hivoaka ho any amin’ny  CSBII ny olona ka mba te hanitsy dia mandalo amin’ity ihany koa. Ireo trano maro manodidina ihany koa tsy afa miala amin’io Lalana io » hoy ireo mponina eny an-toerana.

« Tokony jerena akaiky fa tena rano maloto miparitaka, sady maimbo no hivezivezena eo isan’andro. Hanentanana ny kaominina, hitondra fanamboarana, indrindra mba hahazo anjara fanamboarana amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa lalan-kely fa mijaly ny vahoaka » hoy i Rolland, mpampiasa ny lalana.

Anisan’ny hangatahan’ny mponina moa ny hijeren’ny kaominina akaiky ity lalana ity ary ny hitondrana fanamboarana amin’izany. Ireo lalana izay voalaza fa efa ela tsy nisy fanamboarana ihany koa tao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire