Dépêches

Sosialy: Fiara miisa 10 no hitondra fanampiana ho an’ny traboina

Dépêche 22 mars, 12h, Fiara lehibe miisa 10 no hitondra ireo fanampiana ho an’ny traboina tsy an-kanavaka manerana ny Nosy. Fanampiana entina indrindra ho fiahiana ireo traboina rehetra. Mitondra vary, voamaina ary menaka ho an’ny tokontrano miisa 17 185 izy ireo araka izany. Fanampiana izay miainga avy ao amin’ny BNGRC moa ireto entina ho an’ireo traboina ireto. Fanampiana entina hamahana olana vetivety ihany anefa izany raha jerena fa tsy vahaolana maharitra ka tokony hiverenana ny fandinihana izany.

Laisser un commentaire