Lalaon’ny nosy: vonona handresy an’i Seychelles ny Barea anio
« Mila fandresena ny Barea”, hoy Rakotondrabe Romual, mpanazatra ny Barea de Madagascar, omaly, nandritra ny fanazarantena farany teny By-Pass. Vonona ireo mpilalao rehetra nantsoina hiatrika ny lalaon’ny Nosy hoy izy. Tsiahivina fa hidona amin’i Seychelles ny Barea de Madagascar, anio alina manomboka amin’ny 7 ora, eny amin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass.
