Alasora : Fanokafana ny lalao basket ball
Tontosa ny alahady teo, tao amin’ny CEG Alasora, ny fanokafana ny lalao basket-ball ho fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna 2022. Marihina fa ny mpitsara lalao avy amin’ny federation misahana ny taranja basket-ball no mitsara ny lalao rehetra mandritry ny fifaninanana.
« Ho amboarina ny kianja filalaovana basket-ball ao amin’ny EPP Miadana mba ho entina hampiroboroboana hatrany ity taranja ity. Hojerena ihany koa ny lafiny teknika mba hanamboarana kianja filalaovana basket-ball ao amin’ny kianja maitso » hoy ny ben’ny tanàna, Randriantsoa Jimmy. « Samy nandray anjara tamin’ity lalao fanokafana ity ihany koa na ny lahy na ny vavy. Ny Est Mahazoarivo sy ny Alasora no nihaona voalohany teo amin’ny sokajy vehivavy. Ny Est Mahazoarivo sy Ambodivondava kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy » hoy ny mpikarakara.
Mitohy hatrany ny hetsika ara-panatanjahan-tena ao Alasora. Efa mandeha ihany koa mantsy ny fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna ho an’ny taranja baolina kitra.
Hasina Rasamimanana
