Toamasina: Jiolahy dimy nikotrika hanafika matin’ny FIP, ny telo hafa tratran’ny UIR.
Manao ezaka goavana ny polisim-pirenena eny Toamasina mikasika ny fametrahana filaminana ho an’ny vahoaka amin’ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana. Ny Alatsinainy teo, jiolahy dimy nikasa hanao fanafihana no nahazoan’ny polisin’ny FIP vaovao tamin’ny olona tsara sitra-po tao amin’ny fokontany Verrerie P/elle 21/74. Efa tafavory tsara ireo jiolahy tokony tamin’ny 07ora hariva ny alatsinainy io no tonga tampoka ny polisin’ny FIP. Avy hatrany dia fifampitifirana no nitranga teo amin’ny roa tonta.Vokany, lavon’ny bala avokoa ireo jiolahy dimy ireto, dia i Driche – Dada – Ialy – Tantely – iray tsy fantatra ny momba azy. Mbola tratra teny amin’ireo ny basy PA sy ny bala maromaro niaraka taminy ary ny ody gasy fampiasan’izy ireo ho fiarovan-tena sy hampahomby ny asa ratsy ataony. Voalaza fa isan’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana samihafa eto Toamasina ireto andian-jiolahy dimy maty ireto, hoy ny polisy nanazava. Ankilan’izay dia rangahy iray kosa no tsy nitsoaka tao an-trano nisy ireo andian-jiolahy ireto, izay tsy fantatra ny tena andraikiny. Nilaza ity olona ity fa nasain’ny tompon-trano naka ny trosany taminy ity rangahy ity, nefa sendra izao sakoroka be nitranga tao Verrerie izao. Nosamborina ny tenany ary natao fanadihadiana eo anivon’ny polisy misahana ny raharaha hamantana ny tena andraikiny tamin’ity raharaha ity. Eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be miandry ny havany ireo dimy lahy matin’ny bala ireto nanomboka ny talata teo. Ilaina tokoa ny fiaraha-miasa amin’ny olona tsara sitrapo mba hahatanterahan’ny fandriam-pahalemana.
Fenohasina Ratsimamitaka
