Actualités

Zandary maty nisy namono tany Tanambao Besakay

Zandary iray no maty voatetika vokatry ny fanoheran’ny fokonolona ny didy fampisamborana ireo mpanimba ala ao Mandanivatsy, commune Besakay, distrika Ambatondrazaka faritra Alaotra Mangoro.Notetehin’ny fokonolona io zandary io araka ny fanazavana. Voatery nisitrika tany anaty ala ireo iraka avy amin’ny foibem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana any Alaotra Mangoro sy ny avy amin’ny VOI mpiaro ny ala tany an-toerana noho izany.Olona 18 no voasambotra tao Ambatondrazaka taorian’ity famonoana zandary, sy fampijaliana mpiasan’ny ala iray hafa ity tany Besakay.

Fanaja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire