Social

Fiaraha-miombon’antoka Chine – Afrika : Vatsim-pianarana 26 atolotry ny firenena sinoa.

Vatsim-pianarana 26 ho an’ny taom-pianarana 2021 – 2022 no homen’ny governemanta sinoa ho fanamafisana ny fiaraha-miombon’antoka misy eo amin’ny Chine sy Afrika, raha ny fanambaran’ny ministeran’ny fampianarana ambony. Sehatra maro no ivelaran’ity vatsim-pianarana ity. Misokatra ho an’ireo mpianatra manana ny diplaoma Licence na Master izany, hoy hatrany ny ministera. Ny tena sinoa sy ny teny anglisy no tenim-pampianarana amin’izany. Amin’ny zoma 5 febroary 2021, atoandro, no fe-potoana farany fandefasana ny fangatahana.

Volantsoa Felaniaina

Laisser un commentaire