SocialTatitra

Nigéria : Fanafihana ny tobin’ny polisy

Lehilahy maromaro no niditra an-tsokosoko tao amin’ny tobin’ny Polisy any Upko sy any Abia ny Alatsinainy 19 Avrily lasa teo. Nanipy baomba izy ireto ary polisy anakiroa no naratran’ny bala ary iray tamin’ireo mpanafika no maty raha ny tany amin’i Upko. Fa lehilahy maro mitam-piadiana ihany koa no nanafika ny tobin’ny Polisy tany Abia. Nanafaka Gadra anakiroa tao izy ireto ary avy eo nodorany ny trano. Nanazava nizany ny mpitondra tenin’ny polisim-pirenena, Geoffrey ka nilaza fa mpanafika maro no nanafika ny toby niaraka tamina dinamita sy « lance-roquette » ary nanavotra gadra anakiroa.

Laisser un commentaire