La Réunion : Sehatr’asa telo malalaka ho an’ireo vahiny ao an-toerana
Afaka miasa ao La Réunion ireo vahiny manana « titre de séjour » amin’ny hôtellerie, BTP, restauration manomboka amin’ny 2023. Sehatra sarotra ahitana mpiasa ao an-toerana mantsy ireo sehatra telo ireo.
Manoloana izany dia nanome soso-kevitra amin’ny famoronana « titre de séjour : métier en tension » ny governemanta. Tsotra ny tanjona dia ny ahafahan’ireo mpifindra monina ao amin’ny nosy miasa ara-dalàna amin’ireo toerana tsy ampy mpiasa ao an-toerana.
Tsy nisarika ny mponin’i La Réunion loatra io fanampahan-kevitra io. Nahatratra 18,8% mantsy ny tsy fananan’asa tao an-toerana ny volana septambra 2022 teo.
