Toamasina : Tratra ireo mpanao trafika solika
Tra- tehaky ny mpitandro filaminana avy amin’ny Zandarimaria Toamasina tao Tanandava ny tambazotra mpanampoka solika izay niteraka resa-be tao Toamasina tao ho ao.
Naheno ireo tambazotra mpanampoka solika ireo avy ao amin’ny zandarimaria tamin’ny alalan’ny fampahafantarana tao amin’ny facebook avy amin’ny mponina eny amin’ny manodidina ihany. Voalazan’ireo tamin’iazany fa efa olona miisa 12 eo no voasambotra amin’izao amin’ity raharaha ity. Amin’ny alalan’ny fanapohana ny gasoil amin’ny pétrole sy ny acide sulfurique no fomba entin’ireto olon-dratsy ireto miady. Tamin’ny fanarahan-dia ireo kamiao nitondra pétrole amin’ny bidon 250l miisa 15 no nahatrarana ireto mpanao ratsy ireto.
Maro ny tarainan’ireo mpampiasa fiara noho ny haratsin’ny kalitaon’ny solika sy ireo fahasimbana noho izany ka izay no nampiahiahy anay avy ato anivon’ny zandarimaria ka nahatonga anay hanara-maso ireo mpividy solika ka nijery akaiky ireo izay tena nampiahiahy, hoy ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina. Tezitra manoloana izany koa ireo mpampiasa fiara, « tokony misy vondrona mmpampiasa fiara ihany koa izao mangataka onitra amin’izany fa tena efa fanetry be ny firenena mihitsy itony olona itony, tsy olona iray no voan’izany fa efa olona betsaka ka mangataka sazy mavesatra ho azy ireo » hoy i Julien, mpamily tuctuc ao Toamasina.
Maro ireo olona no tiatia kely ka mangalatra na manao risoriso izay voararan’ny lalàna ny fanaovana izany ka izay tratra dia manefa sazy. Maro anefa ireo votsitra fotsiny ka miandrandra fandraisana fepetra hentitra ho azy ireny ny Mlagasy rehetra mba tsy hitomboany intsony.
Miora Raharisolo
