Ambohimangakely : Tonga nitsidika ny fametrahana ireo jiro ny ben’ny tanàna
Ny harivan’ny sabotsy lasa teo no tonga nidina teny ifotony, teny anivon’ireo fokontany nametrahana ny jiro « lampadaire » ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Efa tafapetraka manontolo amin’ireo fokontany sy toerana tena mila izany hazavana izany ireo jiro natolotry ny filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny ministeran’ny angovo ho an’ny kaominina izay vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny solombavam-bahoakan’ny distrika.
« Fokontany telo ato anatin’ny kaominina aloha ny nanombohana izany dia ny fokontany Amoronakona, Behintsy, ary Ambohimangakely. Hisaorana ireo mpiara-miasa sy ny fitondram-panjakana ny fanolorana izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Tokony ho sarotiny amin’ny fanajana ny fananana iombonana ny rehetra manomboka izao. Mila arovana amin’ny halatra sy ny tota-kely izy ireny mba haharitra fa indrindra mba kojakojaina sy kolokoloina » hoy i Aina, mponina ao Amoronakona.
Lalana mankany amin’ny fampandrosoana izao fametrahana hazavana izao. Ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny fiarovanana ny fananana iombonana tahaka izao no handrasan’ireo mponina. Miandry ny anjarany ihany koa anefa ireo fokontany hafa mbola miaina anaty haizina sy anaty tsy fahadriam-pahalemana amin’izao fotoana izao.
Manitra Ramanantsoa
