ActualitésTsidika

Avaradrano : Nisitraka ny fanomezana jiro manazava ny tanàna ireo kaominina  mandrafitra ny distrika

Ny faran’ny herinandro teo no natolotry ny solombavam-bahoaka voafidy tao amin’ny distrika Avaradrano ireo jiro « lampadaires » ho an’ny kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano. Ho  fanatanterahana ny velirano faharoan’ny filoham-pirenena, dia ny hisitrahan’ny vahoaka hazavana, tonga nanolotra izany ireo tomponandraikitra izay notarihin’ny ministry ny angovo sy akoran’afo. Nisitraka izany fanomezana izany ireo kaominina mandrafitra ity distrika ity, anisan’izany ny kaominina Ambohimangakely, Ankadikely Ilafy, Sabotsy Namehana, Anosy Avaratra, Talata Volonondry, Ambohidrabiby, Ambohimanambola, Alasora, sy ny maro hafa.

« Isaorana feno ny fitondram-panjakana, indrindra ny ministera mpiahy, ny ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo, izay nanolotra ireo jiro. Mahavelom-panantenana ireo vahoaka ny fanatanterahana izao satria efa ela izy ireo no niaina tao anatin’ny haizina sy ny tsy fahandriam-pahalemna » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Manantena izahay mba hitohizan’ny ezaka, mba hisitraka ireo fampanantenana nomena tokoa amin’ny sehatra rehetra fa tsy hijanona hatreo amin’ny fanomezana jiro ihany » hoy i Mandimby, mponina ao Sabotsy Namehana.

Ny hisitrahan’ny rehetra hazavana, entina hiadiavana amin’ny tsy fahandriam-pahalemana no anisan’ny tanjona amin’ny fametrahana sy fanatanterahana ity veliranon’ny filoham-pirenena ity. Ny fananentanana ireo mponina amin’ny fanajana izany fananana iombonana izany koa no tena laharam-pahamehana tokony hatao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire