ActualitésTsidika

Rocade Est : Misy manongotra ireo vy eny amin’ny sisin-dalana

Anisan’ny tranga miseho aorian’ny fahavitan’ny foto-drafitr’asa iray ny fahaverezan’ireo vy na takelaka na jiro amin’ny foto-drafitr’asa vaovao ireny rehefa tsy ampy ny fanaraha-maso. Toy ny eny amin’ny rocade Est amin’izao fotoana izao, mitolefika ireo takela-by noho ny fanalana ireo tongony, ataon’ny mpanao asa ratsy azy amin’iny lalana iny, manomboka manala ihany koa ireo vy amin’ny sisin-dalana.

« Ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso ireo foto-drafitr’asa vita no tena hita ho lesoka. Tsy vao izao no nisy ny fangalarana ireo vy na jiro amin’ny sisin-dalana fa efa hatramin’izay » hoy i Fetra, mponina ao Ambohimahitsy. « Taratry ny fahasahiran’ny vahoaka ny tranga toa izao. Efa anaty fahasahirana loatra ny vahoaka ka izay hita azo avadika vola dia alaina daholo » hoy i Lova, mpandinika fiaraha-monina.

Mila fandraisana fepetra avy amin’ny manam-pahefana ary fandraisana andraikitra ho an’ny isambatan’olona araka izany ny fanaraha-maso sy fanenjehana ireo tia kely manimba ny fananana iombonana tahaka izao. Tsy hisy fandrosoana vanona tokoa raha ny fananana napetraka ho an’ny daholo be aza misy mangalatra indray.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire