Tetik’asa Miami : Omena fampiofanana ireo mpivarotra amoron-dranomasina
dépêche 19 septembre, 17h, Ho fanatsarana ny tanàna sy hitondrana filaminana eo anivon’ny tanànan’ny Toamasina dia ho ampidirina ao anatin’ny tetik’asa Miami ireo mpivarotra amoron-dranomasina izay antsoina hoe « bars à sachets ». Nisitraka fampiofanana mahakasika ny fanatsarana ny tolotra sy ny fampanarahana ny fenitra amin’ny fivarotana sakafo ho an’ny daholobe iazy ireo mialoha ny hampidirana azy ireo amin’izany.
