Fahasalamana : Maro an’isa ireo tanora voan’ny aretina VIH/SIDA
dépêche 19 septembre, 16h, Mitombo isa ireo tanora voan’ny VIH/SIDA ankehitriny eto Madagasikara. Misy amin’ireo tanora ireo no tsy mahalala akory fa mitondra izany tsimok’aretina izany izy ary tsy mahay akory ny fiarovana sy ny fomba hatao hahafahana mitsabo tena. Miisa 10 836 ireo olona mitondra ity aretina ity ary manodidina ny 15 ka hatramin’ny 17 ny salan-taonan’izy ireo.
