Dépêches

Fifidianana : Miisa 9 189 539 ireo tafiditra anaty lisi-pifidianana.

Dépêche 01 février, 14h, Omaly talata 31 janoary no nifarana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana eto Madagasikara. 9 189 539 no fitrambaran’ny olom-pirenena tafiditry ny CENI tao anaty lisitra nandritra ny efa-bolana, nanomboka ny voalohan’ny volana oktobra 2022 hatramin’ny 30 janoary 2023. Tsy tratra tanteraka ny tanjona satria dia 13 500 000 no olona nokendrena hampidirina anaty lisitra. Etsy ankilany anefa dia mbola azon’ny olom-pirenena atao ny misoratra anarana eny anivon’ny biraom-pokontany fa ny mpanisa mpifidy midina an-tsehatra no efa tsy misy intsony.

Laisser un commentaire