Dépêches

Nahatratra mpivarotra rongony indroa ny zandary tao Mampikony

06 Aogositra, 09h09. Nidina tany amin’ny fokontany Tsimijaly kaominina ambanivohitra Betaramahamay distrika Mampikony ny zandary ny 02 aogositra lasa teo ka tratra tamin’izany ny tovolahy 24 taona teo am-pikirakirana rongony. Rongony 30 fatotra sy 20 fonosana milanja 07kg ary vola 22.000ar izay vidin-drongony no hita teny aminy. Nidina tany Antananambo fokontany Antsirasira II kaominina ambanivohitra Ambohitoaka distrika Mampikony indray izy ireo ny 03 aogositra 2021 ka ramatoa iray 45 taona, mpivarotra rongony no sarona niaraka tamin’ny rongony iray gony milanja 15kg sy tahon-drongony tapa-gony. Nogiazana ary nodorana ireo rongony tratra ireo ary hatolotra ny Fitsarana ireo voasambotra aorian’ny famotorana.

Laisser un commentaire