RN2 – jiolahy saika hanafika fiara voatifitry ny zandary
09 Aogositra, 09h30. Jiolahy roalahy mitam-basy no saika hanafika fiara Camion semi-remorque sy hanakan-dalana teo Bekalalao RN2 ny 8 aogositra lasa teo. Tsy nanam-po ireto farany fa hay nisy zandary nanaraka ireo fiara lehibe ireo. Avy hatrany dia tsy nihambahamba nitifitra ireo zandary ka maty voatifitra ilay jiolahy iray raha vaky nandositra kosa ny jiolahy iray.
