ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Naiditra ny rain’ilay zaza teraka tamin’ny fanolanana

11 taona am-ponja ny sazy nomen’ny fitsaran’i Birmingham ity lehilahy 74 taona antsoina hoe Carvell Bennett ity. Izy dia nanolana zaza tsy ampy taona efa tany amin’ny taona 1970. 13 taona monja ilay tovovavy tamin’izany.Bevohoka nefa izy tao aorian’izany ary niteraka zazavavy kely teo amin’ny faha 14 taonany. Nomeny natsangan’olona ity zaza ity ary tsy nahalala ny fomba nisiany raha tsy teo amin’ny faha 18 taonany. Izy no nanokatra indray ny fanadihadiana ary nandresy lahatra ity reny niteraka azy ity hametraka fitoriana. « Ny finiavan’ity zaza ity no nahafahana nampigadra io lehilahy io » hoy fanazavan’ny mpitsara Martin Hurst.

Laisser un commentaire