ActualitésTsidika

Kolontsaina: Hanatanteraka seho miavaka maimaimpoana ny Tarika Ambondrona

Tsy misy tsy mahalala izany tarika Ambondrona izany intsony ny Malagasy rehetra na hatramin’ny ankizy kely aza. Ilay hira “tomany irery “izay efa be mpankafy iny no hira farany navoakan’izy ireo. Hatramin’izay ny seho izay karakarain’izy ireo dia nahangona olona aman’aliny hatrany na dia mis azan y vidim-pidirana. Amin’ity indray mitoraka ity dia ho maimaim-poana ny hetsika izay ho ataon’izy ireo eo amin’ny Araben’ny Fahaleovan-tena ny 16 aprily ho avy izao.

“Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy sady fisaorana azy ireo tamin’ny fanohanana nandritra izay 20 nahateo ny tarika izay no antony hanatanterahana ny hetsika, ary izany indrindra no antony nanaolorana azy ity hop maimaim-poana. Manana faniriana ny hampiditrav an-tsekoly ireo zaza marefo ihany koa izahay ka mandritra io hetsika io no hanatanterahanay ny tetik’asa”, hoy ny Solontenan’ny tarika.

Efa maro sahady ireo mpankafy no nanohana ny hevitra ary mbola manohana hatrany ny tarika. Hirariana samy hitondra ny anjara birikiny ho an’ireo zaza marefo ihany koa ireo mpankafy ireo. “Tsara ilay tetik’asa ary tohanako fa sady mpihira hankafiziko ihany koa, ny mpanakanto aza itony efa mahatsapa fa ny fampianarana no lakile. Inona no tokony hampihanana ny tompon’andraikitra”hoy i Maharavo, mpankafy ny tarika.

Ny adidy ho vita ny fahafinaretana ho azo. Izany no tokony teny filamatra mandritra io hetsika io. Mbola maro ihany koa ireo zavatra hiseho tsy hampoizina karakarain’ny tarika mandritra io hetsika io.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire