ActualitésTsidika

Ambohimanga : Ho avy tsy hoe ela ny lalao Basket

Miroborobo tokoa ny sehatry ny fanatanjahan-tena eto Avaradrano. Ny baolina kitra no tena malaza kanefa tsy ambaka izany koa ny basketball.

« Ho hatao tsy ho ela eto Ambohimanga ny tournoi basketball. Mila miomana sahady ny ekipa tsirairay. Efa fanao isan-taona ny hetsika ho an’ny mpankafy baolina basket tahaka izao » hoy ny tompon’andraikitra ao Ambohimanga. « Sehatra ho entina hampandrosoana ny tanora tokoa ny fanatanjahan-tena. Isan’ny hetsiak hiadiana amin’ny fandraisana zava-maha domelina izany » hoy i Fetra, tanora ao Ambohimanga.

Mila miomana dieny izao noho izany ny ekipa mpilalao baskety ao Ambohimanga indrindra ireo vehivavy. Misy ny fandaminana ataon’ny tompon’andraikitra ka vinavinaina ho amin’ny paka izao izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire