Royaume-Uni : Naaton’ireo mpitsabo mpanampy ny hetsika
Mpitsabo mpanampy maro tao Royaume-Uni no nanao fihetsiketsehana efa hatramin’ny volana desambra 2022. Mitaky ny fampiakaran-karama ho an’ity taom-piasana 2022-2023 ity izy ireo. Nosokajian’ny fitondram-panjakana tao an-toerana sarotra tanterahana nefa izany fangatahana izany ka tsy nisy ny fanampahan-kevitra noraisin’izy ireo.
Manoloana ny fandrahoanan’ireo mpitsabo mpanampy hitokona mandritra ny 48 ora ny 1 martsa izao kosa nefa dia nilaza ny Royal College of Nursing (RCN, principal syndicat) sy ministeran’ny fahasalamana fa vonona ny hifampidinika momba io fangatahana io sy ny fanatsarana ny fepetra momba ny asa.
