Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fametrahana jiro ao amin’ny kaominina
Mitohy ny ezaka fametrahana ny jiro manazava ny tanàna ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ireo faritra mafana amin’ny tsy fandriam-pahalemana no tena ametrahana izany ao an-toerana. Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ireo tomponandraikitra no nidina nametraka izany, raha ny voalaza.
« Ireo toerana ahitana tsy fandriam-pahalemana sy elakelantrano toy izay hita eto amin’ny faritra Ambohitrarahaba, Andafiavaratra ary Antanandrano no ezahina asiana hazavana ho fitsinjovana ireo voatery mody alina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
«Hitohy amin’ireo faritra hafa ny asa ary ezahina ny hisian’ny hazavana amin’ny faritra maro. Isika kosa entanina hatrany ho samy sarotiny amin’ireo fananana iombonana ireo » hoy hatrany ny fanazavana.
Ankoatra ny fametrahana jiro izao moa dia nisy ihany koa ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny orinasa Jirama ary ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo amin’ny fanolona sy fametrana jiro vaovao amin’ny ireo andrinjiro manamorona ny lalana ato anatin’ny kaominina.
Manitra R.
