Equateur : Mitohy ny fikarohana ireo olona tsy hita nandritra ny fihotsahn-tany tao an-toerana
Nisehoana ora-nikija tao atsomin’i Equateur ny alin’ny alahady nifoha alatsinainy teo. Niteraka fihotsahan-tany goavana izany izany nanimba trano am-polony tao Alausi izay 300 kilometatra any atsimon’i Quito. Manodidina ny 7 ny olona maty vokatr’izany, 62 kosa no mbola tsy hita ary 23 no naratra raha ny tatitra.
Olona 500 isa eo kosa no voakasika mivantana amin’io fihotsahan-tany io. Tsy maintsy nafindra fonenana izy ireo ary mpamonjy voina sy sivily maro no nifanome tanana tamin’ny fanatanterahana izany. Nanangana toerana vonjimaika handraisana ireo traboina ireo ihany koa ny tompon’andraikitra.
Marihana kosa fa efa hatramin’ny volana febroary no tafiditra tao anaty faritra mavo tamin’ny mety hisian’ny fihotsahan-tany io toerana, nisehoan’ny loza io.
