ActualitésTsidika

Startup Week-end: Lohahevitra vaovao indray ho amin’ny andiany manaraka.

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny CCIA Antaninarenina ny Startup Week-end izay nilohahevitra hoe “économiz sociale et solidaire”. Tetik’asa miisa 6 avy amin’ireo mpandray anjara niisa 15 no notanterahina tao hahafahana manangana orinasa ho amin’izany lohahevitrta izany.

“Orinasa enina araka izany no tafatsangana izay novolavolaina nandritra izay 54 ora izany. Rehefa nandeha ny fitsarana di any tetik’asa “Thriving” no nahazo ny laharana fahatelo, teo amin’ny laharana faharoa ny tetik’asa “cleaner” ary ny nandrombaka ny amboara kosa di any tetik’asa” rohy”. Tanora avokoa ny mpandray anjara izay samy manana vina ny hanohy hatrany ny diany hatramin’ny fananganana tanteraka ny orinasany”, hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.

“Natao ho an’ny fiaraha-monina ny tetik’asa nandritra iny start-up week-end iny ary tena hita fa samy vonona te hanova fiaraha-monina ho amin’ny tsara ihany koa ireo ankizy ireo. Na dia tsy voasafidy ho tamin’ny telo voalohany aza ireo tetik’asa hafa dia tena tsara sy azo raisina izany ho an’ireo tompon’ny tetik’asa sy ireo izay maniry ny hanohy ny asany”, hoy kosa ny solontena avy amin’ireo coach.

Araka izany dia nikatona ny start-up week-end “économie sociale et solidaire”. Tsy mifarana hatreo anefa ny hetsika fa ny hanangana orinasa maro an’isa no tanjon’ny mpikarakara izay hahafahana manampy ireo tanora sy mamorona asa ho an’ireo tsy an’asa ka efa lohahevitra vaovao indray no ho resahina ho amin’ny dingana manaraka. Marihina moa fa hankalaza ny faha-folo taonany ny Startup Weekend amin’ity taona ity izay efa hampiomanana sahady ireo izay liana amin’izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire