Talata Volonondry: Nahazo ny anjarany avokoa ireo tantsaha tamin’ny fizarana zezika avy amin’ny fanjakana
Tontosa soa aman-tsara ny hetsika fizarana ireo zezika milanja 4 taonina izay natolotry ny fanjakana ho an’ireo tantsaha, mpamboly ao amin’ny kaominina Tatata Volonondry. Samy nahazo ny anjara ho azy avokoa ireo mpamboly nandritra izany.
“Izao hetsika fizarana ny zezika izao moa ny tontosa dia noho ny fanohanana avy amin’ny ministera mpiahy ny fambolena sy ny fiompiana ireo tantsaha fikambanam-behivavy eto amin’ny kaominina. Koa dia maneho fisaorana sy fankasitrahana azy ireo hatrany amin’ny fanampiana izay atolony” hoy ireo avy amin’ny kaominina.
“Tsy tokony atao hetsika mandala fotsiny ny fanohanana sy ny fanampiana ny tantsaha tahaka izao fa tokony ho velomi-maso mandrakariva satria io no fototra hiveloman’ny mponina ety” hoy I Tolotra, mpamboly.
Anisan’ny seha-pivelomana mila fanohanana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara. Raha tsara fanohanana ara-pitaovana sy ara-teknika tokoa ny mpamboly dia hahavita tena ara-tsakafo ny malagasy.
Manitra Ramanantsoa
