Fanatanjahantena : Any Tunisie no hanatanterahana ny lalao ara-pirahalahiana hiomanana amin’ny CHAN
Dépêche 29 décembre, 15h, Any Tunisie indray izany ireto Barea A’ ireto no hiomana amin’ny lalao fiadiana izay ho tompondakan’ny Afrika ho an’ireo mpilalao an-tanindrazana. Hifanandrina amin’ny Menas an’ny Niger sy ny Diables Rouges an’ny Congo izy ireo ny 6 sy 9 janoary 2023 izao. Izany moa no natao mba hahafahana manoman-tena amin’ny CHAN 2023 izay hatao any Algérie. Miisa 25 ireo ekipa no hanainga hiatrika izany lalao izany ny 2 janoary 2023 izao. Ankoatra ireo ekipa roa ireo dia mbola hifanandrina amin’ny Maroc ihany koa ireto Barea ireto hahafahana mahazo ny traikefa tsara.
