Jirama : Manoro ireo fihetsika tsara atao raha manana olana amin’ny famatsiana herinaratra sy rano.
Dépêche 29 décembre, 16h, Mampimenimenina ny maro ny olana eo amin’ny herinaratra sy ny rano tao anatin’ny fotoana ela izay. Mikaroka vahaolana ny avy eo anivon’ny Jirama saingy tsy mbola miampaka mivantana amin’ny mpanjifa izany. Azonao atao ny manontany ny manodidina anao raha manana olana mitovy aminao izy amin’ny famatsiana. Rehefa izany dia afaka miantso ny laharana 3547 na mandefa hafatra miafina ao amin’ny Jirama Ofisialy. Matetika anefa ny fandraisana ny olona miantso na mandefa hafatra dia ela ka ny hafaingianan’ny fomba fiasa dia tokony harenina ho tsara kokoa hatrany ihany koa.
