Dépêches

Toetr’andro : Nihena ny herin’ny Dingani, miainga any indray i Freddy

Dépêhce 14 février, 15h, Nanambara ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro fa efa nihena ny herin’ilay rivo-doza Dingani izay tao amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina. Ankoatra izay anefa dia misy rivo-doza vaovao miforona indray izay efa nahazo anarana ho Freddy ao amin’ny faritra Atsinanan’ny Ranomasimbe Indianina. Etsy andaniny anefa dia tsy hisy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto Madagasikara io rivo-doza io amin’ity herinandro ity. Etsy ankilany dia ahitana fiakarany hatrany ny mari-pana ambony indrindra manerana ny Nosy ka tokony ho mailo sahady ny tsirairay amin’izay mety ho fiarovana hatao amin’izany. 

Laisser un commentaire