Dépêches

Fihariana : Nikaon-doha nanatsara ny seha-pihariana tantely ireo mpikambana.

Dépêche 29 décembre, 12h, Folo taona taorian’ny nitsanganan’ny PLATMIAM na ny Plateforme Miel Amoron’i Mania dia nivory indray izy ireo nijery izay fomba hanatsarana ity sehatra ity. Resy lahatra tanteraka moa izy ireo fa mahasoa sady ahazoana tombony maro ny fihariana amin’ity sehatra iray ity. Ny sata fototra, ny famolavolana ny fitsipika anatiny, ny momba ny tetibola hiasana ho amin’ny taona 2023 no anton-dresaka tamin’izany. Nanambara moa ny Minisitry ny Varotra sy ny fanjifana fa mila hapetraka amin’ny toerana mendrika azy ireo ity seha-piharina ity ka mila ampiana hatrany. Maro tokoa mantsy ny vokatso entin’ny fihinanana tantely amin’ny vatana.

Laisser un commentaire