Sosialy : Notohanan’ny Opep ny programan’asa mahakasika ny fandrahoana sakafo madio
Mitentina 36,5 tapitrisa dolara ny vola entin’ny Opep hanohanana ny programan’asa mahakasika ny fandrahoana sakafo madio hialana amin’ny fampiasana saribao sy kitay be loatra. Efa maro ireo vahaolana naroso hialana amin’izany fampiasana saribao sy kitay ho arina fandrehitra izany. Hita fa afaka miroso amin’ny tsara kokoa ny tokantrano malagasy tsirairay ka izany no antony nanolorana izao fanampiana izao.
« Hanampy tokantrano hatramin’ny 200 000 isa ity vola fanampiana ity mba hialan’izy ireo amin’ny fampiasana ny arina fandrehitra nentim-paharazana izay sady miteraka aretina no miantraika amin’ny tontolo iainana. Tanjona ihany koa ny hampiditra tsikelikely amin’ny Malagasy ireo fomba maro samihafa afaka ampiasaina handrahoana sakafo », hoy ny avy ao amin’ny Fonds de l’Opep por le Développement International (OFID).
« Efa ela no nampiasana ny gaz satria ilay charbon aloha tena mandoto sady efa hita ny fiantraikany amin’ny fahasalamna. Ny torohevitra afaka harosoko izao raha mbola tsy mahatakatra ny gaz dia azo atao ny mampiasa pétrole fa ireny no zakan’ny olona rehetra. Ilay kitay sy saribao manimba ny tontolo loatra ka aleo miditra amin’ny fampiasana zavatra hafa », hoy i Josiane, renim-pianakaviana.
Amin’izao fotoana izao, i Madagasikara no firenena afrikanina faran’izay kely indrindra mampiasa fitaovana fandrahoan-tsakafo madio, ka latsaky ny 1%-n’ny tokantrano mampiasa solika madio ary 1%-n’ny tokantrano mampiasa hazo na saribao nohatsaraina, araka ny tarehimarika navoakan’ny Energy Sustainable for All (SEforALL). ), fikambanana miara-miasa amin’ny Firenena Mikambana (ONU). Mila hampiroboroboana anefa izany zavatra izany ho fantatry ny rehetra ka hahafahana manatratra ny taha ho 100%.
Miora Raharisolo
