Indonésie : Foibe ara-toekaren’ny charia
Nanamafy ny fanoloran-tenan’i Indonésie ho lasa ivon’ny fitantanam-bola islamika iraisam-pirenena ny PT Bank Syariah Indonesia Tbk. Nametraka fandaharan’asa efatra mikendry ny hanamafisana io tontolo iainana (écosystème) io ao Indonésie sy any ivelany izy ireo.
Ny minisitry ny orinasam-panjakana Erick Thohir, ao Indonésie no nitarika ny ministera tamin’ny fanomanana ireo fandaharan’asa efatra lehibe hananganana ny « écosystème » ireo. Fampandrosoana ny tsenan’ny indostrian’ny « halal » ao amin’ny firenena sy ivelany no fandaharan’asa voalohany, fampandrosoana ny indostria ara-bolan’ny charia ny faharoa, fampiasam-bola am-pirahalahiana hampivelarana ireo mpandraharahan’ny firenena (locaux) ny fahatelo ary fitohizan’ny toekaren’ny Charia any ambanivohitra ny teboka fahatelo.
