Soudan du Sud : Lozam-piaramanidina tao amin’ny fanjakan’i Jonglei, olona 10 maty.
Olona 10 farafahakeliny no maty nandritra ny lozam-piaramanidina niseho tao Pieri, Ao Soudan du sud, ao Jonglei ny talata 02 martsa. Fiara manidina mpitatitra entana io niharan-doza io hoy ny governoran’ny faritra. Teo amin’ny seranam-piaramanidin’i Pieri no nisehoan’ny loza raha ny voalaza tao anatin’ilay taratasim-pifandraisana. Voalaza fa tsy nisy olana io fiara manidina io raha andeha hiazo an’i Pieri. Rehefa hiverina ho any Juba kosa izy no nirehitra teny ampandehanana, mbola tsy niainga ny tany akory, hoy ny filohan’ny kaompania South Supreme Airlines. Amin’ny maha fiara manidina mpitatitra entana azy, tsy fantatry ny AFP mazava ny isan’ireo olona tao anatiny. Na ny kaompaniam-pitanterana aza tsy mahalala ny mahakasika izay. Misy hoy izy ireo ny milaza fa olona 10 no tao anatin’ilay fiara manidina. Ao kosa ny milaza fa 11 ary misy koa ny milaza fa 24. Nanamarina kosa ny kaompaniam-pitanterana fa maty avokoa ireo olona tao anatin’ilay fiara manidina. Tsy mbola fantatra mazava hatreto izay antony niteraka ny loza. Mbola tsy afaka nandefa ekipa hanao fanadihadiana ny kaompania raha ny nambaran’ny filohan’izy ireo.
