Corée: Tarika BTS
Tarika malaza maneran-tany ny BTS, antsoina ihany koa hoe Bangtan Boys. Tarika mampivondrona lehilahy avy ao Corée atsimo avy ao Séoul. Naorin’ny Big Hit Entertainment tamin’ny taona 2013 izany ary misy mpikambana fito dia Jin, Suga, J-Hope, RM, Jimin, V ary Jungkook.Ny volana jona 2013 no tena nahalala azy ireo tamin’ilay hira mitondra ny lohateny hoe “No More Dream” avy amin’ny raki-kiran’izy ireo voalohany, 2 Cool 4 Skool. Nandresy ny « nouvel artiste de l’année » tamin’ny “MelOn Music Awards 2013” ny “Golden Disk Awards 2013” ary ny “Seoul Music Awards 2014”. Ny taona 2016 izy no voafidy ho” artiste de l’année » tamin’ny Mnet Asian Music Awards.Mitana ny toeraan sangany indrindra amin’ny be “retweets” amin’ny tamba-jotra Twitter sy be mpijery indrindra ao amin’ny YouTube izy ireo ary voarakitra ao antin’ny “Livre Guinness” mihitsy izany. Ny 15 Oktobra 2020 dia niakatra 4,1 milliard de dollars ny vola niditra tamin’ny Big Hit Entertainment, « label » ny tarika, izay tafiditra amin’ireo orinasa 30 matanjaka indindra ao Corée Atsimo.
