SocialTatitra

Taiwan : Mbola maro ireo tafahitsoka any ambanin’ny tany taorian’ny horohoron-tany mahery maika

Niampy hatrany ireo olona hita taorian’ny fisian’ny horohoron-tany mahery vaika tao Taiwan, ny fiandohan’ny herinandro teo. Zaza tsy ampy taona enina, niitsoka tao anaty lavaka, izay vokatr’ity horohoron-tany ity no hitan’ireo mpamonjy voina omaly tany amin’ny toerana be tendrombohitra iray any an-toerana. Olona sivy no maty ary tafakatra dimam-polo sy iray alina ireo naratra, raha ny tatitra farany navoakan’ireo tomponandraikitra araka izany. Raha tsiahivina, ny alarobia teo no nisehoan’ity horohorotany mahery vaika ity tao Taiwan, nahatratra hatramin’ny 7,4 ny mari-drefiny ; ireo tomponandraikitra any an-toerana izay nilaza fa ity no horohoron-tany mahery vaika indrindra namely ny nosy hatramin’ny 25taona izao.

Laisser un commentaire