ActualitésTsidika

Alasora : Fay rano, tofoka noho ny tsy fisian’ny rano ireo mponina

Manao antso avo ireo mponina ao amin’ny fokontany Alasora sy ny fokontany Miadana ao anatin’ny kaominina Alasora noho ny tsy fisian’ny rano. Efa amam-bolana maro ireo no tsy nandeha ny rano teny an-toerana. Nanolotra vahaolana ny tomponandraikitra saingy tsy ampy ho an’ny rehetra, raha ny voalaza.

« Tonga nirohotra tao amin’ny biraon’ny ben’ny tanàna ny mponina hangataka vahaolana fa mijaly izy ireo, mandoa hofan’ny compteur isam-bolana anefa tsisy rano akory. Amam-bolana no tsisy rano ny Fokontany Alasora sy Miadana, indrindra ireo olona tsy afaka maka rano eny amin’ny bombone ; ka manao antso avo amin’ny Jirama fa mihatra aman’aina izy ity» hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Tena efa tsy rariny intsony ilay zava-misy. Lasa izao ny fahavaratra, tsy misy intsony ny orana ka vao maika ho sahirana amin’ny tsy fisian’ny rano izahay mponina. Angatahana amin’ny tomponandraikitry ny jirama mba hamaha ny olana fa mijaly ny mponina » hoy i Fara, mponina ao Alasora.

Amam-bolana no tsy nandeha ny rano tao an-toerana. Efa maro ny fitarainana nalefan’ny kaominina manoloana izany, saingy hatreto vahaolana vonjimaika ihany izany. Mangataka ny hijerena sy hamahana haingana ny olana araka izany ny tomponandraikitra.

Laisser un commentaire