SocialTatitra

Japon : Nisehoana horohoron-tany tamin’ny mari-drefy 6

Nisy horohoron-tany tany ambanin’ny ranomasina tany Japon, omaly. Tamin’ny mari-drefy 6.0 izany, araka ny filazan’ireo mpampantatra ny toetr’andro any an-toerana. Tany amin’ny morontsirak’i Fukushima, any avaratr’i Japon, no nisehoan’izany. Nijanona ho horohoron-tany ihany anefa izany fa tsy nivadika ho tsunami, araka ny fanahian’ireo tomponandraikitra tany an-toerana. Tsy mbola nisy ny tatitra nivoaka momba ireo fahavoazana tamin’ny fisian’izany, izay marihina fa re hatrany Tokyo. Heverina ho tohin’ny horohoron-tany lehibe nitranga tany Taiwan, ny talata teo izany. Ity farany izay namela takaitra maro, ka namoizana olona sivy, ary an’arivony no naratra ankoatra ny fahapotehan’ny foto-drafitr’asa samy hafa.

Laisser un commentaire