PolitiqueTatitra

Royaume-Uni : Mitondra inona ny fialan’ny praiministr’i Irlande du Nord ?

Niteraka krizy ara-politika ny fialan’i Paul Givan teo amin’ny toeran’ny praiministr’i Irlande du Nord. Mpikambana ao amin’nt antoko DUP (Parti unioniste) izy ary nisy akony avy hatrany tamin’ny mpanatanteraka ny fanapahan-keviny.Manoloana ny fizarana mitovy tsara ny fahefana eo amin’ny « unioniste » sy ny « nationaliste » mantsy dia voatery miala ihany koa ny praiministra lefitra, Michelle O’Neill, mpitarika lefitrin’ny antoko « pro-irlandais » Sinn Fein. Telo volana tsy ahatongavan’ny fifidianana parlemantera ho tontosaina ny 5 mey izao izany dia tsy manana lehiben’ny governemanta i Irlande du Nord.

Laisser un commentaire