6 febroary : Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny famorana vehivavy
Ny MGF na « mutilation génitale féminine » dia fandidiana ny fivavian’ny vehivavy tsy amin’ny antony ara-pahasalamana, tafiditra ao anatiny ny famorana vehivavy. Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’izany napetrakin’ny ONU ny 6 febroary.Firenena 30 manerana an’i Afrique sy Moyen-Orient no tena manao io fandidiana na MGF io. Hita ao Asie sy Amérique Latine ihany koa izy ary mbola tontosain’ireo mponina mpifindra monina ao Europe andrefana, Amérique du Nord, Australie ary Nouvelle-Zélande.Voasokajy ao anatin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy kosa ny fanatanterahana io MGF io. Herisetra ara-pahasalamana, ara-piarovana ary ara-batana izany. Ankoatra izay dia mety hahafaty ihany koa io fandidiana io, maharary mafy ny fanatanteraha azy, miteraka fahaverazan-drà maro ary mety mampananosarotra ny fivalan-drano. Mety hiteraka « infection » ihany koa izy ary tsy mampaheno fahafinaretana ny vehivavy intsony sy mampananosarotra ny famokarany.Tanjon’ny ONU amin’ity andro iraisam-pirenena ity kosa ny fanafoanana ny MGF tanteraka ny taona 2023 izao.
