Fahasalamana : Fanafody koha-maina na rehoka tsy mety hivoaka
Aretina be mpahazo amin’izao fotoana izao ny kohaka. Indraindray mikoha-maina isika na misy rehoka tsy mety mivoaka izany rehefa mikohaka. Azo atao tsara anefa ny mitsabo izany ara-natoraly amin’ny alalan’ny tongolo sy sakamalaho.
Kikisana ny tongolo gasy hasiny roa sy ny sakamalaho tahaka ny ankihibe ary tongolo be mena iray kelikely. Rehefa vita izay dia tatavanina izy rehetra mbola tsy mitambatra. Potserina ahazoana ranony tsara avy eo. Arotsaka tsikelikely ao anaty tongolo gasy ny sakamalaho ary ny tongolobe no hamaranana zy. Rehefa azo ilay ranony izy rehetra dia atao anaty « bocal ». Asiana tantely tsy mitampoka 4 sotro lehibe ary afangaro tsara. Hoanina eran’ny sotro lehibe in-telo isan’andro, adiny iray alohany sakafo. Afaka omena ny ankizy arakaraky ny taona. Raha toa mihoatra ny 10 taona dia 1 sotro na atsasaky ny sotro raha latsaky ny 10 taona.
Nicole Rafalimananjara
