ActualitésTsidika

Batsirai : Mila fanampiana tokoa ireo tra-boina

Tonga tany Mananjary ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika nizaha ny zava-nizy tany an-toerana. Betsaka ireo rava fananana sy namoy havana nandritra ireny rivo-doza ireny. Olom-panjakana maro izay tarihin’ny filohan’ny Repoblika no nandeha tany an-toerana nijery izay azo atao amin’ny fanarenana ny potika sy ny rava.

Tetsy an-kilany, nahazo fanampiana avy amin’ny Union Européenne mitentina 444 800 000 Ariary isika. Entina hanampiana ireo tra-boina eto Analamanga sy ny amin’ny faritra Atsinanana izany fanampiana izany. « Tao ireo rava trano. Tsy mahita izay aleha intsony. Handrakofana ireo filàn’ izy ireo amin’ny andavanandro aloha ireto fanampiana ireto toy ny fitaovana hanarenana ny trano simba. Fanampiana amin’ireo kojakoja ao an-trano sy ny maro hafa izay tena ilaina isanandro » hoy ny tompon’andraikitra. Inoana sy Antenaina fa tsy hijanona hatreo akory ny fanampiana.

Tsara raha fanampiana tena mahavaha olana no omena ireo tra-boina. Tena mahatsiaro tena ho tapi-dalan-kaleha tanteraka mantsy izy ireo. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire